Voalohany, hoy i Riribe “Rakotomalala Henri” raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana izy omaly, dia maneho eto ny fialan-tsiny amin’ireo rahalahy mpanao rugby ny tenako fa natodiko tany amin’ny mpitondra fanjakana Malagasy ny teniko nilaza ny hoe :
“tsy ho any amin’ny kianjan’ny gidro izahay HFI” fa tsy navantana ho an’ny mpanao rugby tsy akory sanatrian’ny vava izay tena namana sy tapaka tanteraka nefa tadiavin’ny mpanao politika sasany hampiadiana amiko tsotra izao. Mikasika ny raharaha Claudine Razaimamonjy sy Alain Ramaroson indray dia nanambara i Riribe fa efa an-taonany izao no nitazomana azy ireo any am-ponja nefa hatramin’izao tsy mbola nisy izay fitsarana azy ireo akory. Marina fa tsy mankasitraka ary tena manenjika ny olona mpanodinkodim-bolam-panjakana sy ny harem-pirenena ny tenako nefa mahagaga fa tsy sahin’ny fitsarana ny mampisambotra an’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony namoaka ny vola navoarohirohy an’i Claudine izay tokony hogadraina miaraka aminy avokoa raha tsy izany tokony havoaka ny fonja tsy misy hatakandro ity mpandraraha ity.
Aoka ny fitsarana hanao ny asany ara-dalàna, hoy i Riribe, fa tsy hanaiky ho fitaovana politika hampiasain’ireo olom-bitsy fotsiny ka hamaly ny fanontaniana hoe : “Inona no antony hitazomana am-ponja tsy ara-dalàna an’i Alain Ramarosaona tsy hampandalovina fitsarana ? Mangataka ihany koa aho noho izany ny hamoahana azy tsy misy fepetra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.