Actualités

Claudine Razaimamonjy Nafahana madiodio ?


  • Alarobia 12 Septambra 2018

Niteraka resabe nanomboka omaly hariva ilay famotsorana an-dRamatoa Razaimamonjy Claudine, voarohirohy noho ny resaka kolikoly ka taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco no nisamborana azy.

 

 

Niatrika fanadihadiana lalina teny amin’ny fitsarana manokana momba ny kolikoly izy ary avy eo nampidirina am-ponja  vonjimaika. Ny 03 aprily 2017 ity mpandraharaha sady mpanolotsaina manokan’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ity no nosamborina teny Mahamasina. Voalaza omaly fa nafahana madiodio i Claudine Razaimamonjy, izany hoe tsy migadra intsony satria tsy ampy ny porofo itazonana azy any am-ponja. Marihina fa tsy mbola niakatra fitsarana ny raharaha Claudine, ary mbola maro ny vavolombelona tokony hohenoina ary misy ny manampahefana ambony teo aloha. Anisan’ny naneho hevitra tamin’ny pejy facebook omaly avy hatrany Rtoa Fanirisoa Ernaivo, mpitsara, efa filohan’ny SMM ary kandida filoham-pirenena. Tsy mazava ity raharaha ity, hoy izy satria mbola misy dosie maromaro itazonana an’i Claudine Razaimamonjy sy ny namany. “Fa oviana moa ny fitsarana namoahana didy fa afaka madiodio izy ?”, hoy hatrany Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Anisan’ny niteraka resabe teto amin’ny firenena ny raharaha Claudine A&C ary azo antoka fa tsy maintsy mbola hiteraka resabe indray manomboka izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT