Tovolahy iray, 24 taona mitondra ny anarana hoe Randrianarison Yves no nodoran’ny mpianatra velona teny amin’ny Cité U Ankatso omaly maraina tokony ho tamin’ny 3 ora. Maty tsy tra-drano ilay tovolahy.
Araka ny vaovao voaray avy eny an-toerana dia voalaza fa nikasa ny hamaky trano sy hangalatra niaraka tamin’ny namany iray ity tovolahy ity, saingy nahatsikaritra ka Raikitra ny antso vonjeo ka vetivety foana dia vory maro ireo mpianatra nanenjika ireto jiolahy ireto. Rehefa nifanenjehina izy ireo dia saika hitoraka tamin’ny «barre à mine» ireo mpianatra indray. Tezitra mafy izy ireo ka tsy namelana raha tsy tratra. Tafaporitsaka ilay iray, saingy ity Randrianarison Yves ity kosa no tsy lasa lavitra fa voasambotr’ireo mpianatra izay efa romodromotra ihany satria nisesisesy ny vaky trano sy ny halatra teny amin’ny Cité U tato ho ato izay. Vantany vao tratra ity tovolahy ity dia niainga aloha ny daroka, ary nofatorana tsy afa-nihetsika izy, niezaka ny nanakana ny hatezeran’ireo mpianatra ny mpiambina avy ao amin’ny CROUA saingy tsy afa-nanoatra firy satria vitsy noho ny be, telolahy fotsiny mantsy ny mpiambina tamin’io alina io. Efa nisy ny fanentanana natao tamin’ny mpianatra mba tsy hikasi-tanana sy hamono hahafaty raha sendra mahatratra mpangalatra, na olon-dratsy, araka ny nambaran’ny talen’ny CROUA, Abel Randriamiarinarivo saingy tsy nahasakana ny fahatezeran’izy ireo izany.
Na inona na inona tokoa mantsy antony dia tsy azo atao ary tena voararan’ny lalàna tanteraka izany hoe mandoro olona velona sy mamono mahafaty azy izany. Azo antoka arak’izany fa tsy maintsy hisy tohiny ity raharaha ity, ary tsy maintsy hisy ny mpianatra ho voasambotra sy atao fanadihadiana. Efa eo am-pelatanan’ny manampahefana rahateo ilay izy ary mandeha ny fanadihadiana. Araka ny filazan’ny fianakavian’ity tovolahy maty nodorana ity dia niainga tao an-trano izy omaly alina ary nilaza fa handeha ho any amin’ny sakaizany eny Ankatso, saingy tsy niverina intsony, dia izao niaraha-nahalala izao ny zava-nitranga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.