Efa tonga eny am-baravarana sy fianakaviana tafi-bahoaka ny fanafihan-jiolahy mitondra basy kalaky sy PA ankehitriny ao Toamasina
. Ny sabotsy alina teo tokony ho tamin’ny 8ora dia zandrina kolonely miasa eo anivon’ny vondron-toby miaramila faha-3 ao Toamasina, no notafihan’ireo jiolahy mpitaingina moto scooter sy mitondra kalaky ary basy PA. Niisa 4 ireto jiolahy ireto, mpivarotra rahateo koa ity zandrina kolonely mipetraka eo anivon’ny “Cité” miaramila ao Barikadimy ity. Avy hatrany dia ny vola maty ny tontolo andro tao anaty baoritra fametrahana azy no noraofin’ireto jiolahy raha avy nanambana basy ny mpivarotra izy ireo. Nanamora ny asa ratsin’ireto jiolahy koa ny fahatapahan-jiro tany an-toerana tamin’io fotoana io. Nirifatra nitsoaka nanao taingin-droa tamin’ny scooter nentiny ireto jiolahy raha nahazo ny zavatra nilainy. Tsy nisy ny basy nipoaka nandritra izany, tsy nisy koa ny naratra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.