Tsy mitombina ny filazan’ny filohan’ny ANEFFA, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Veve, araka ny nivoaka an-gazety mpiseho isan’andro iray ny alakamisy 05 febroary 2015 lasa teo fa mikatona ary tsy mianatra ny mpianatra ao amin’ny Cisco Bealanana,
Dren Sofia sy ny Cisco Ambalavao, Dren Matsiatra ambony. Nanamafy izany ny sefo Cisco amin’ireo toerana roa ireo, izay tantanan’Atoa Valomiatrika Wilson sefo Cisco Bealanana sy Atoa Rasolovoahangy Andrianatenaina sefo Cisco Ambalavao fa “Mizotra ara-dalàna ny asa fampianarana amin’ireo toerana roa ireo, ary azon’ny fanjakana hamarinina io filazana io. Matotra ihany koa ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny fanohanana ireo mpampianatra Fram any aminy fa tsy araka ny filazana ihany koa. Izy ireo dia vonona mandrakariva amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny fitondrana foibe sy ny Minisitera amin’ny fampandehanana ny fampianarana ao aminy araka ity fanambarana ny fanitsiana nataony ity.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.