Actualités

Christine Razanamahasoa Niaiky fa manao kolikoly ny Mpitsara


  • Zoma 10 Desambra 2010

Tena misy mihitsy ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana, araka ny nambaran’ny ministry ny fitsaranan’ny FAT, Christine Razanamahasoa, omaly 9 desambra nandritra ny andro iraisam-pirenena iaidiana amin’ny kolikoly, izay nomarihana tamin’ny alalan’ny fampirantiana teny amin’ny Tahala Rarihasina moa.

Maro be tokoa ny fitarainana momba ny tsolotra sy kolioly ataon’ny mpitsara eo am-panatanterahana ny asany, hoy ramatoa ministra, ary na ankizy kely aza dia efa mahalala fa mpanao kolikoly ny mpitsara malagasy. Misy ihany koa ny tatitra sy ny fitarainana voaray eny amin’ireo sampandraharaha tahaka ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara mikasika izany, koa dia tsy maintsy mandeha ny fanadihadiana lalina ary rehefa hita fa marina sy mitombina fa nandray kolikoly ny mpitsara iray dia mihatra avy hatrany ny fepetra mifandraika amin’izay, tahaka ny fanasaziana azy tsy afaka hitsara mandritra ny fotoana voafetra, na ny fanesorana azy tsy ho mpitsara, na ny fampidinana grady azy, na ny famindrana toerana.

Mety misy koa ny fampiharana sazy araka ny lalàna, tahaka ny fanagadrana sy ny fampandoavana onitra, satria tahaka ny olom-pirenena rehetra ny mpitsara fa tsy hoe ambonin’ny lalàna mihitsy. Raha ny tena marina anefa dia tsy maro be tahaka ny fitarainana re etsy sy eroa ny isan’ireo hoe mpitsara fantatra fa nohadihadiana na nosaziana noho ny kolikoly nataony. Isan’andro anefa, araka ny filazan’ireo manan-draharaha eny amin’ny fitsarana dia misy io kolikoly io, ary tsy hoe ny mpitsara mitarika raharaham-pitsarana sy mpamoaka didy ihany no manao azy, fa ireo mpiasan’ny fitsarana maro be ihany koa. Nanamarika moa Rtoa Razanamahasoa Christine fa tsy azo adika ho fanaovan’ny mpitsara kolikoly avy hatrany ny fanafahana vonjimaika, na fanafahana madiodio olona iray.

Tokony hahafantatra tsara ireo nitory fa manana telo andro hanoherana iny didy nivoaka iny izy ireo, ka dia averina dinihana indray ny miaraka amin’ny porofo vaovao ilay dosie dia raiketina indray ny fitsarana araka ny ambaratongany tsy maintsy arahana. Tena saropady ny asan’ny mpitsara araka ny nambarany satria, sonia iray dia afaka hanagadrana olona sy hamotehana ny fiainany. Tsy natao hanagadra fotsiny anefa izahay fa natao handinika araka ny lalàna manan-kery mihatra eto amintsika ny raharaha na tranga iray, ka arakaraka ny firafitry ny fiampangana sy ny fiarovana miaraka amin’ny fandinihana lalina ny andinin-dalàna mifandraika amin’izany no hamoahana ny didy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT