Actualités

CEPE tao Toamasina Nilamina ivelany, feno romoromo anatiny


  • Alarobia 08 Aogositra 2012

Niisa 7.096 ny mpiadina CEPE ho an’ny Cisco Toamasina I, izay naparitaka tamin’ny toeram-panadinana niisa 14.

 Nilamina amin’ny ankapobeny ny fizotry ny fanadinana. Tsy nanao hetsika nanoherana izany ny Sempama Atsinanana, fa nanomana kosa fiarahana mialavoly tao Mangarano, nanasana ireo mpampianatra mpanabe rehetra mahatsapa fa lavitra ny tolona atao ary misy ny faneriterena miaro fanenjehana atao amin’ny mpampianatra sy mpanabe. Hita nivezivezy nanerana ireo ivontoeram-panadinana ny fiaraben’ny Emmo-Reg sy ny fiara manokan’ny polisim-pirenena. Tsy nahatombina tao amin’ny biraony koa ny DREN Lema Etienne sy ny lehiben’ny Cisco Toamasina I, Sambany Frédéric, fa nitety mandrakariva ireo toeram-panadinana. Nohidiana avokoa ny vavahady niditra ireo ivontoeram-panadinana tao Toamasina, na ny mpanao gazety nangataka ny haka sary amin’ny fanomezam-baovao aza, voailika tsy nisy nahazo nanao izany na naka sary avy eo am-bavahady ihany aza. Ny tsikaritra dia mpampianatra sy mpanabe avy amin’ny sehatra tsy miankina ny ankamaroan’ny mpampianatra niambina nandritra ny fanadinana CEPE tao Toamasina, vitsy ihany ireo mpampianatra ara-panjakana izay mbola ny mpampianatra FRAM ihany koa no maro tamin’izy ireo.

Nanamafy anefa ny Sempama Toamasina fa “fanadinana tsy manana ny lanjany eo amin’ny resaka fanabeazana iny fanadinana CEPE vita iny, tsy nandray anjara mihitsy izahay satria tsy te hanimba ny hoavin’ny taranaka Malagasy”. Fantatra ihany koa izao fa mpampianatra sy mpanabe 04 no tapaka karama ho an’ny Sempama atsinanana, roa ho an’ny Cisco Toamasina I, roa ny Cisco Brickaville. Ho an’ny DREN sy ny CISCO Toamasina I dia fahombiazana ny fahitan’izy ireo ny fahavitan’ny fanadinana, fa mbola ho toy izao hatrany no atao mandritra ny fanadinana BEPC, raha anjaran’ny oniversite no mandray anjara amin’ny fanadinana Bakalôrea.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT