Actualités

CEPE 2012 Nadika tamin’ny tabilao ny valim-panadinana ?


  • Alakamisy 16 Aogositra 2012

Folo andro aty aorian’ny nahavitan’ny fanadinana CEPE notontosaina ny 7 aogositra 2012 dia manao ranolava ny tsikera sy fanamarihana voaray manodidina ny fanomanana sy ny fanatanterahana azy iny.

 Tatitra ankapobeny no nataon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ka nilazany fa nizotra an-tsakany sy an-davany ny fanadinana ankoatra ny tamina foibem-panadinana dimy, izay haverina mialoha ny fanadinana bakalôrea na dia tsy mbola voatondro aza ny daty hanatanterahana azy. Ny SEMPAMA kosa anefa dia mahita lesoka maro tamin’iny CEPE indray mitoraka iny. Nambaran’izy ireo fa nisy 127 ireo foibem-panadinana nahitana ireo mpiambina nandika ny valim-panadinana tamin’ny tabilao. 136 no isan’ny foibem-panadinana tsy mpampianatra no niambina fa mpivarotra na olon-tsotra.

Tamin’ny toerana sasany aza dia kartie mobile sy polisy kaominaly na koa sefom-pokontany no niambiana ireo mpiadina. Araka ny tatitry ny SEMPAMA hatrany dia nahatratra 92 be izao ny foibem-panadinana tsy nisy CEPE raha 28 ny foibem-panadinana nafindra tamin’ny sekoly tsy miankina alohan’ny hanaovana fanadinana. Manamarika koa ity sendikan’ny mpampianatra mpanabe ity fa dia mpianatry ny sekoly tsy miankina no nanatanteraka fanadinana CEPE tamin’ny renivohitry ny Cisco rehetra fa tsy tonga nanao fanadinana ny 2/3-n’ny mpianatry ny sekolim-panjakana. Maro koa ny mpiadina tsy nanana fiantsoana niatrika ny fanadinana. Tamin’ny foibem-panadinana sasany teto Analamanga aza, araka ny tatitra azon’izy ireo ihany, dia nahitana mpiambina tsy manana fiantsoana nefa nandray anjara ary nisy mpianatra tsy manana fiantsoana nefa nanatrika ny fanadinana.

 
Nifanojo tamin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, ankalazaina isan-taona isaky ny 7 aogositra, ny nanatanterahana ny CEPE tamin’ity 2012 ity. “Lasa andro namotehana ny zaza Malagasy anefa izany tamin’ny fanaovana fanadinana kitoatoa sy petatoko iny. Manoloana izany dia raisinay ho mpiray tsikombakomba amin’ny fanapotehana ny zaza Malagasy izay rehetra mbola minia hanatanteraka ny fanadinana BEPC sy Bacc amin’ity volana ity”, hoy ny SEMPAMA.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT