Raha mbola hanolotra lalŕna vaovao momba ny fifidianana kaominaly eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny governemanta dia manao tolo-kevitra ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar) ny handravana ny CENI-T
ary manangana ny CENI hikarakara ny fifidianana mandritra izao Repoblika fahefatra izao. Haverina dinihin’ireo mpisehatra ara-politika sy ny teknisianina ary ny fiarahamonim-pirenena ny Lalàna mifehy ny fifidianana na ny “Code électoral”, ka ny fifidianana filoham-pokontany no atao mialoha. Milaza koa ny CRAM fa tokony hoferana 7 500 ny isan’ny mponina amin’ny fokontany iray eo anivon’ny kaominina an-tanàn-dehibe, mba hanamora ny asan’ny filohan’ny fokontany voafidim-bahoaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.