Actualités

CEG Analamahitsy Mijanona amin’ny toerany


  • Alarobia 11 Jolay 2018

Hofoanana ny fifanarahana rehetra manodidina ny CEG Analamahitsy. Tsy misy ary tsy hisy ny fanorenana trano fianarana vaovao fa dia mijanona ao amin’ny toerany ny trano fianarana sy ny mpianatra.

 

Izay no fanapahan-kevitra farany noraisina omaly tolakandro teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Tsy nanaraka ny antanatohatra rehetra ny fifanarahana ka antony nahatonga ny olana, hoy ny minisitera. Ankoatra izay, efa 50 taona no nijoroan’io CEG io, izany hoe efa vakoka, hoy Atoa Roland Rabeson sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ka tsy hoesorina eo intsony. Hofoanana, araka izany, ny fifanarahana rehetra ary dia miverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra. Nanambara ihany koa omaly ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa niantso an-telefaonina azy ny minisitry ny fanabeazana ary nilaza fa aleo ajanona ny fifanarahana rehetra fa tsy te hahita korontana izy. Tsara homarihina fa nisy solontenan’ireo mpampianatra avy ao amin’ny CEG Analamahitsy niaraka tamin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony omaly. Mifarana eto aloha izany iny raharaha iny.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT