Antsirabe indray no nandray ny “Faire Play 2014”, an’ny fikambanana Cecam, izay lalao ara-panatanjahantena natao hampivondronana ireo mpiasan’ny Cecam manerana ny Nosy. Nandritra ny hateloana nanomboka ny zoma 25 aprily lasa teo ny fihaonana ka nifarana ny alahady izany. Nambaran’ny Tale jeneraly Serge Ranajaonarison fa tanjon’izao fihaonana sy fiarahana izao ny hanatsarana ny firaisankina eo anivon’ny Cecam manerana ny Nosy mba hibanjinana ny tanjona tratrarina. Notsindriany fa raha tiana handroso ny orinasa dia mila miray hina sy miara-miezaka ny mpiasa tsirairay ka fotoana iray hisian’ny fihaonana ny hetsika ara-panatanjahantena toy izao. Fantatra fa efa miparitaka eran’ny Nosy ny Cecam, ary 18 amin’ny Faritra 22 no efa ahitana ity sehatra fampindramam-bola madinika ity. Hetsika faharoa ity notanterahina tao Antsirabe ity, raha toa ka tamin’ny efa-taona lasa izay no nisian’ny fihaonamben’ny Cecam voalohany izay voalaza fa ezahina ny hisiany isan-taona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.