Tanterahina etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba nanomboka omaly ilay hetsika « Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi » andiany faharoa.
Trano efa mihoatra ny 60 isa no mandray anjara. Ankoatra ireo sekoly ambony manana tanjona hanampy ireo ankizy vao afa-panadinana Bakalôrea dia gazety sy orinasa maro vonona handray mpiasa ihany koa no hita eny an-toerana. Ho an’ny gazety Job, ohatra, izay ao anatin’ny vondrona Vidy Varotra dia anisan’ny tanjony ny hampahafantatra ireo tanora ny mikasika ireo karazana fiofanana mety misy ao anaty gazety sy ireo karazana tolotr’asa mety ho hita ao anatiny miampy fandraisana CV ho an’ireo tena efa vonon-kiasa marina. Ho an’ny orinasa indray toy ny banky BNI sy ny Orange Madagascar izay mandray anjara eny an-toerana koa dia anisan’ny antom-pisiany koa ny handray ireo tanora maniry ny hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ka anisan’ny manamora izany ny Alliance Française. Mialoha ny handalovany eny amin’ireo tranoheva maro isan-tsokajiny mantsy dia mampanao fitsapana maimaimpoana ny amin’ny fahaizan’ireo tanora sy ny fifehezany ny tenim-pirenena Frantsay ny Alliance mba ho fanampiana ny orinasa. Misy tolotr’asa ho an’ny olon-dehibe ihany koa eny an-toerana hahafahan’izy ireny manatsara ny fari-piainany. Hifarana anio sabotsy ity hetsika ity ka olona manodidina ny 6.000 isa no antenain’ny AFT ho avy hitsidika ao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.