Nanomboka omaly ary hifarana anio ilay hetsika fandraisana mpiasa avy hatrany karakarain'ny H Formation etsy amin'ny hotel Carlton Anosy, andiany faharoa. Hiarahany amina orinasa maromaro izy io,
ka ireo tanora tsy an'asa manana ny mari-pahaizana DTS no maro an'isa indrindra tonga namaly ny antso hatreto. Lalam-piofanana maro karazana no nohalalinin'izy ireo izay marihina fa miatrika resaka na “entretien” avy hatrany. Raha araka ny fanazavan-dRakotomalala Lova, tompon'andraikitra ao amin'ity H Formation ity dia natao indrindra izao hetsika izao hanampiana ireo tanora eto an-drenivohitra tsy an'asa. Tafiditra ao anatin'izany ny fanafainganana ny fiantsoana azy mba hiasa izay tsy maharitra iray volana akory. Tamin'ny andiany voalohany, ohatra, ny 70 %-n'ireo tanora nanatrika ity hetsika ity no noraisin'ny orinasa Telma hiasa ao aminy raha araka ny fanazavana azo hatrany. Toraka izany koa ireo 10 noraisin'ny orinasa hafa. 3.000 Ar no fandraisana anjara izay hialohavan'ny sivana na pré-selection.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.