Actualités

“Cantine scolaire” mendrika Sekoly 1247 no mifaninana


  • Alarobia 04 Jona 2014

Raikitra indray ny fifaninanana “cantine scolaire” maodely andiany faha-3.

Sekoly ambaratonga voalohany miisa 1247 avy amin’ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana izay samy mahazo fanohanana ara-tsakafo avy amin’ny PAM no mandray anjara. Anisan’ny hojerena manokana amin’ireo mpifaninana ny tahan’ny fidirana an-tsekoly, ny tahan’ny fitsoahana an-daharana ary ny tahan’ny fahombiazana amin’ny fanadinam-panjakana. Anisan’ny masontsivana hojeren’ny PAM sy ny Ministeran’ny fanabeazana koa ny fitantanana ny “cantine scolaire” sy ny hatsaran’ny foto-drafitrtasa toy ny efitrano, ny trano fitehirizana, ny trano fisakafoana ary ny lakozia indrindra indrindra. Zaraina disksionera, tabilao, latabatra ary seza izay sekoly mendrika. Marihina fa fanentanana ny fampidirana an-tsekoly sy fanatsarana ny fari-pahaizan’ny mpianatra no tanjona amin’ny alalan’ny tohana ara-tsakafo tanterahan’ny PAM. Amina faritra iharan’ny tsy fahampiana ara-tsakafo avokoa no misy ireo sekoly 1247 izay misy mpianatra 219 000.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT