Hahazo tombony ireo mpitia fanatanjahantena mpanjifan’ny Canal plus Madagascar manomboka izao.
Nanomboka omaly 28 aogositra mantsy dia nitombo indray ireo fahitalavitra azo jerena amin’ny alalan’ny Canal Plus. Niampy sivy ny “chaines” hatolotr’izy ireo ny mpanjifany. Ho an’ireo mpitia fanatanjahantena dia nitombo dimy izany ka manana safidy ny isan-tokantrano, araka ny fanazavan-dRtoa Ramaherirariny Lalaharisoa, tompon’andraikitra ara-barotry ny Canal Plus. Hisy koa ireo “chaines” ao amin’ny Novegasy azo hanarahana ireo andian-tantara malagasy vaovao … Hanomboka amin’ny volana septambra ho avy io izany, hifarana ny volana oktobra ahitana andian-tantara miisa 35.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.