Actualités

Canal+Madagascar : Miampy iray ireo tolotra ho an’ny mpanjifa


  • Alarobia 02 Febroary 2011


Namoaka tolotra vaovao antsoina hoe «Découverte» ny orinasa Canal+ Madagascar. Tolotra izay ahafahana manaraka fahitalavitra vahiny 19 miampy ny TVM sy onjampeo iraisam-pirenena 8. Ny ahazoan’ny daholobe mahita izay fandaharana rehetra ilainy sy mahafinaritra azy no tanjona amin’ny alalan’ity tolotra vaovao ity, hoy i Jean Testemale, Tale jeneralin’ny Canal+Madagascar. 19.900 ariary isam-bolana no sarany ankoatra ny hofan’ny «décodeur HD» mitentina 21.000 ariary isam-bolana. Azo vidiana koa anefa ity fitaovana manome kalitao raitra ny sary sy feo ity. Nomarihin’ny tale jeneralin’ny orinasa koa fa manomboka izao dia azo ofaina mandritra ny telo volana na enim-bolana na isan-taona avokoa ireo karazana tolotra rehetra ary amin’ny vola ariary avokoa no anaovana izany hialana amin’ny fiovaovan’ny sandan’ny vola vahiny euro eo amin’ny tsenan’ny fanakalozam-bola. Efa mielipatrana manerana ny nosy izao ny Canal+ Madagascar izay manana mpanjifa 8.400.  

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT