Nahazo alalana hampita mivantana ny lalao rehetra momba ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny taranja baolina kitra ny Canal + Madagascar. Any Rosia no hanatanteraka izany ny 14 jona ka hatramin’ny 15 Jolay ho avy izao, izany hoe haharitra iray volana.
Ho an’ireo mpanjifa ny Canal + manokana dia ao amin’ny Canal + Sport 2 sy Canal + Sport 3 no alefany mivantana izany ahitana lalao 64 isa. Afaka ny hanaraka manontolo ireo lalao rehetra ireo ihany koa ny mpampiasa ny “application” My Canal. Manomana mpiara-miasa ara-barotra maherin’ny 500 sy teknisianina mpametaka “antenne” mihoatra ny 300 isa hidina eny ifotony ny orinasa Canal +, ho an’ireo liana sy maniry hanjifa ny vokatr’izy ireo mialoha. Tsy misy atahorana, hoy Atoa Jean François Duboy, lehiben’izy ireo ny kalitaon’ny sary satria dia HD no hampiasaina. Hanao fihenam-bidy goavana amin’ny decodeur moa izy ireo amin’ny fiandohan’ny volana jona ho avy izao. Tsiahivina fa ny ekipan’i Rosia sy Arabie Saoudite no hifanandrina amin’ny lalao fanokafana, izay ekipa efa nandrandrain’ny maro tokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.