Actualités

Camille Vital Nitsabo tena tany Frantsa


  • Alatsinainy 28 Aprily 2014

Tafaverina an-tanindrazana ny marainan’ny sabotsy 26 aprily teo ny filohan’ny antoko Hiaraka Isika, Camille Vital rehefa avy nitsabo tena sy niala sasatra tany Frantsa. Nanamafy ny fanohanany ny fitondrana ny tenany.

 «Vonona hitondra ny anjara birikinay amin’ny fanarenam-pirenena izahay amin’ny alalan’ireo depiote lany tamin’ny anaran’ny Hiaraka Isika», hoy izy. Milaza ny tsy hanohitra izao fitondrana izao ny tenany na dia tsy voasolotena ao anaty governemanta aza. Raha izao fizotran’ny raharaham-pirenena izao dia manamafy ny ekipan’ny HVM avokoa ireo kandida nifaninana taminy raha mirona amin’ny fanoherana kosa ny ampahany amin’ny MAPAR. Ankoatra ity farany dia ao anatin’izao fitondrana izao ny Ankolafy Ravalomanana, MTS, ny VPM MMM ekipan’i Hajo Andrianainarivelo. Ity farany moa izay nilaza talohan’ny fifidianana fa hitsangana hanohitra ny fitondrana raha tsy lany nefa dia izao miara-miasa amin’ny filoha izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT