Actualités

Calendrier Vitsy ny kaomandy raha oharina tamin’ny taon-dasa


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Na ireo orinasa goavambe eto amintsika aza amin’izao tsy mahavita manao kaomandina tetiandro na calendrier ho an’ireo mpiasa ao aminy intsony.

Mihena isan-taona izany raha araka ny fanadihadiana natao tamina ivon-toerana iray manonta izany eto an-drenivohitra. Raha miisa 50 ohatra no natontan’ny orinasa iray tamin’ny taon-dasa dia nihena ho 30 izany tamin’ity taona ity ka ireo mpiara-miombon’antoka tsy azo ialana ihany sisa no mahazo izany. Noho ny hasarotan’ny fiainana amin’ny ankapobeny no mahatonga izany. Ezahin’ireo orinasa isanisany ny miala amin’ireo karazana fandaniana tsy dia ilaina firy intsony. Mikasika ireo calendrier manokana misy sarim-pianakaviana dia fantatra fa tsy misy manao kaomandy izany intsony ny ankamaroan’ny olona. Tany amin’ny efatra na telo taona lasa izany no fantatra fa tena nandehabe. Ankehitriny kosa tsy misy manao izany intsony ny isan-tokantrano fa miaina amin’ny fijerena calendrier anaty finday sisa, tranga izay manaporofo sy manabaribary ny fahasahiranan’ny Malagasy tsirairay avy.
Pati
Legende : Tsy manao kaomandina calendrier intsony ny ankamaroan’ny olona sy ny orinasa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT