Manao fitsidihana tafiditra amin’ny fanofanana azy ireo eo anivon’ny Ivotoerana Fanamafisam-pahalalan’ny Manamboninahitra (Centre de Perfectionnement des Officiers),
ireo manamboninahitra lefitra miisa 123 miofana eo anivon’ny ivotoerana amin’izao. Nosafidian’izy ireo ny faritra Analanjirofo nitsidihan’izy ireo ny tao Vavatenina sy Fenoarivo atsinanana, sy ny faritra Atsinanana nanamafisan’izy ireo ny fifandraisan’ny tafika sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary fanapariaham-pahefana, teo koa ny fifandraisan’ny tafika sy ny sehatra tsy miankina izay nitsidihana manokana ny seranan-tsambon’i Toamasina. nambaran’ny Kly Andriamahazoarivo Alex Patrick talen’ny ivotoerana, fa fampitoviana any lentan’ny samy manamboninahitra noho ny fahasamihafan’ny sekoly nanofana azy ireo no antom-pitsanganana ny ivontoerana. Eo koa ny fanamafisam-piraisankinan’ny samy tafika malagasy sy ny fifandraisana eo amin’ny tafika sy ny vahoaka nivoahany. Amin’ireo mpianatra eo anivon’ny CPO miisa 123 dia miisa 5 ny vehivavy ary miisa 15 kosa ireo mpampiofana azy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.