Actualités

“C.P.O”-n’ny tafika malagasy Manao fitsidiham-pianarana ao Toamasina


  • Talata 03 Martsa 2015

Manao fitsidihana tafiditra amin’ny fanofanana azy ireo eo anivon’ny Ivontoerana Fanamafisam-pahalalan’ny Manamboninahitra (Centre de Perfectionnement des Officiers)

 

, ireo manamboninahitra lefitra miisa 123 miofana eo anivon’ny ivontoerana amin’izao. Nosafidian’izy ireo ny faritra Analanjirofo nitsidihan’izy ireo ny tao Vavatenina sy Fenoarivo atsinanana, sy ny faritra Atsinanana nanamafisan’izy ireo ny fifandraisan’ny tafika sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary fanapariaham-pahefana, teo koa ny fifandraisan’ny tafika sy ny sehatra tsy miankina izay nitsidihana manokana ny seranan-tsambon’i Toamasina. nambaran’ny Kly Andriamahazoarivo Alex Patrick talen’ny ivontoerana, fa fampitoviana any lentan’ny samy manamboninahitra noho ny fahasamihafan’ny sekoly nanofana azy ireo no antom-pitsanganana ny ivontoerana. Eo koa ny fanamafisam-piraisankinan’ny samy tafika malagasy sy ny fifandraisana eo amin’ny tafika sy ny vahoaka nivoahany. Amin’ireo mpianatra eo anivon’ny CPO miisa 123 dia miisa 5 ny vehivavy ary miisa 15 kosa ireo mpampiofana azy ireo.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT