Actualités

Building Ramaroson Toeram-pivarotana 20 may kila


  • Talata 22 Mey 2018

Nirehitra ny toeram-pivarotana sinoa miisa 20 etsy amin’ny Building Ramaroson etsy Soarano tao ambany rihana sy ny rihana voalohany ny alahady antoandro teo.

 

Mbola amin’ny andro mampifanaretsaka ny olona mpivarotra sy mpiantsena etsy Behoririka no niredareda tampoka ny afo izay tsy nijanona intsony raha tsy adim-pamantaranandro maro taty aoriana na dia nanao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpamonjy voina. Hatreto dia heverina ho “court-circuit” no nitarika ny loza, raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Lehibe ny fatiantoka satria kila avokoa na ny entana na ny toeram-pivarotana. Nisy ampahany may ihany koa ny tsenan'i Pochard. Ao anatin’ny fotoana mampavaivay ny politika isika amin’izao fotoana, ka maro no mety hampifandray amin’izany amin’ny toe-draharaham-pirenena. Vao misy rahateo ny savorovoro politika, dia efa ny raharaha 2009 no mitamberina ao an-tsain’ny mpandraharaha eto amintsika. Olana amin’ireo toeram-pivarotana na fotodrafitrasa lehibe sasany eto amintsika ihany koa anefa ny resaka fiomanana amin’ny loza, toy ny tsy fisian’ireny “bouche d’incendie” ireny, ka mampanano sarotra ny famonjena voina.

 


 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT