Actualités

Briand Andrianirina Sekretera jeneraly vaovaon’ny MPTDN


  • Zoma 13 Jolay 2018


 

Voatendry ho sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly Atoa Briand Andrianirina. Ny tontolon’ny fanatanjahantena no tena nahafantaran’ny maro azy teo aloha satria efa nitantana ny federasiona Malagasy ho an’ny taranja Kick Boxing izy, ary sokajian’ny mpankafy sy mpiangaly io taranja io fa nahavita azy sy nahatafavoaka Malagasy tompondaka eran-tany. Tsy dia hita firy teo amin’ireo resaka politika etsy sy eroa i Briand Andrianirina na dia fantatry ny rehetra tsara aza fa vadin’ny minisitry ny mponina teo aloha Onitiana Realy. Tsikaritra tato anatin’ny herintaona mahery kely izay fa nihetsiketsika teo amin’ny fanohanana ny taranja baolina kitra izy saingy ankehitriny moa dia izao izy voatendry ho sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra izay tantanan’i Maharante Jean de Dieu izao. Anisan’ireo minisitera ahitana olana noho ny fitokonan’ny sendikan’ny mpiasa izy ity. Andrasan’ny maro izay ho paikadin’ny mpitantana vaovao satria anisan’ny saropady sy manana ny maha izy azy amin’ny fiainam-pirenena ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT