Actualités

Bois de rose any Mahajanga : Mikoropaka ny ministry ny tontolo iainana


  • Zoma 10 Desambra 2010

Rehefa niteraka resabe ny fisian’ny fanondranana an-tsokosoko bois de rose na andramena ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina dia nifindra any Mahajanga indray ireo mpangoron-karena amin’ny halatra ity harem-pirenena ity.

Araka ny fantatra dia an-taoniny maro ireo andramena anaty kaontenera miala any an-toerana kanefa tsy nandalo fanaraha-maso akory ny sambo mitondra azy. Ao Amborovy moa no famatrarana ireo entana izay efa vita fanaka na koa efa mitapatapaka. Tamin’ity herinandro dia nisy gazety mpivoaka isan’andro ihany koa nitatitra vaovao momba ity raharaha ity. Manoloana ireo resabe ireo dia nikoropaka ka voatery nidina tany Mahajanga mihitsy ny ministry ny tontolo iainana, ny jeneraly Raveloharison Herilanto omaly alakamisy ary nanatontosa fivoriana niaraka tamin’ireo lehiben’ny faritra sy tomponandraikitra maro eo amin’ny sehatry ny filaminana.

Tanjona ny fandraisana fanapahan-kevitra hanamafisana ny fanaraha-maso ny ala sy ireo hazo isan-karazany mivoaka avy amin’izy ireny. Antomotra rahateo ihany koa ny fanovana ny mambran’ny governemanta ka tsy mahagaga raha miezaka ny maneho fa mandray andraikitra ireo ministra amperinasa ka anisan’izany ny ministry ny tontolo iainana, Raveloharison Herilanto. Nandritra ireny fotoana nampamaivay ny fandripahana sy fanondranana ny andramena tany amin’ny faritra Analanjirofo sy SAVA anefa dia tsy hita tany amin’ireny toerana ireny mihitsy ingahy ministra.

Yves  
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT