Jiolahy roa mirongo fiadiana no nanafika tao amin’ny Banky BNI Ankorondrano . Fantatra fa very tamin’izany ny vola be tanaty baoritra. Tokony ho tamin’ny 1 ora atoandro teo ho eo no nisehoan’izany omaly.
Raha ny fanazavana voaray dia nitondra Moto ireo jiolahy ary heverina fa efa nahafantatra ny fisian’ny vola izay aterina mialoha tao amin’ity banky ity. Tsy nanaiky mora anefa ny tompon’ny vola ka raikitra ny fifanjevoana. Naratra vokatry izany ilay tompon’ny fananana ; ireo jiolahy kosa nirifatra rehefa nahazo izay nilainy. Nanapoaka basy tamin’ny fotoana nitsoahany ireto jiolahy ireto ary dia nisy ny olona iray naratra .Efa tonga teny an-toerana moa ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana koa dia ho hita eo ihany ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.