Ny orinasa efa mandalo fotoan-tsarotra, ny vola kely mba miditra indray lasan’ny jiolahy mora foana. Vola iray baoritra ndeha harotsaka amina banky iray eny amin’ny Bni Tour Zital Ankorondrano no lasan’ny jiolahy mitam-piadiana omaly tokony tamin’ny 10 ora maraina.
Vao niala tao anaty fiara nitondra azy ny lehilahy iray nibata ny baoritra feno vola ka hiditra ny banky no nisy lehilahy roa nanao taingin-droa tamin’ny moto scooter, ka iray ihany no manao aroloha, nanao be fiavy ary nitifitra avy hatrany. Nanavotr’aina ilay rangahy, latsaka tamin’ny tany kosa ilay baoritra nisy vola teny an-tanany. Iny no novonjen’ireo jiolahy nobataina nankeo ambony scooter dia nirifatra nitsoaka izy ireo. Voahidy ara-potoana anefa ny vavahady tamin’ny lalana nizoran’izy ireo. Vao nahita izany ireo jiolahy dia nanao tampody fohy, nandalo teo anoloan’ilay banky sady nanapoaka basy niova lalan-kafa. Nandeha tsy nisy mpiaro ve izany ny olona mitondra vola be ana orinasam-panjakana toy itony, matoa nanam-potoana ireo jiolahy nialany teo an-toerana ? Lalan-tokana ihany anefa sisa no azon’izy ireo nivoahana teny, nefa dia tsy voasakana. Nionona tamin’ny antso an-tariby niantsoana polisy sy izay sary mety ho azon’ny “camera de surveillance” sisa ny rehetra hahitana ny tohiny. Navelan’ireo jiolahy teny amin’ny lalan’i Marais Masay teny ilay scooter. Manantena ny mpiasan’ny Air Madagascar fa tsy hisy fiantraikany amin’ny fandoavana ny karaman’izy ireo ity fahaverezam-bola ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.