May omaly alatsinainy 6 aogositra ny biraon'ny Faritra sy ny Prefektiora ao Morondava, izay renivohitry ny faritra Menabe. May kila forehitra tsy nisy azo noraisina intsony ny entana sy ny taratasim-panjakana.
Tsy nisy kosa ny aina nafoy. “Compteur” nipoaka no niandohan'ny afo,tsy nahazaka sodira asan'ny Birao misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC teo an-tokontany, raha ny fanazavana vonjimaika, ary tao amin’ny Biraon’ny Tale kabinetra no voalaza fa niaingan’ny afo. Anio talata amin’ny 3 ora tolakandro ny fivoriana hanaovana tombana ny fahavoazana, tarihin'ny Lehiben’ny faritra. Mampiahiahy ity toe-javatra ity ary ahiana ho misy ambadika hafahafa, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana hatrany. Re mantsy fa misy ny fanadihadiana ataon’ny Birao misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny Bianco momba ny heverina ho fitantanana tsy mangarahara na ahiahiana kolikoly; tsara ho marihana fa maro ireo antontan-taratasy may kila nandritra izao tranga izao. Antsasakadiny taorian’ny firehetana vao nanapaka herinaratra ny Jirama. Ny lehiben’ny faritra kosa tsy hita teo an-toerana tamin’ny fotoana nirehetany ary adiny iray taorian’ny firehetana vao nipoitra, kanefa tany aminy ny fanalahidy nahafahana namoha ny trano namonjena ireo dosie sy ny entana samihafa, raha ny vaovao azo hatrany. Mety zara aza ve nisy iny loza iny nandoro sy nanafoana ireo dosie maloto samihafa sa fahamaizana sy loza toy ny loza rehetra ihany? Ny fiara famonjena voina, izay an’ny BNGRC, avy any Korea Atsimo ka nahazoan’i Morondava anjara ho azy, dia sarotra ny dingana sy antanantohatra hahazoana azy kanefa ny lehiben’ny faritra no manao sonia. Tonga ihany ny mpamonjy voina saingy tsy nisy hevitra intsony e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.