Actualités

BETROKA Zandary 6 matin’ny dahalo


  • Zoma 13 Febroary 2015

Tsy mbola niova fo ny dahalo ao Betroka. Omaly, nafotaka ny fifampitifirana teo amin’ireo dahalo an-jatony mirongo basy sy ny mpitandro filaminana. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana, dia omby 100 no

 

 

noraofin’ireo malaso tao amin’ny tanànan’Ambatovita, 10 km miala ny tanànan’i Betroka. Zandary 15 lahy no avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia. Vokatry ny fifandonana, mpitandro filaminana miisa enina lavon’ny balan’ireo dahalo, ka manamboninahitra lietnà ny iray, hoy ny fanamafisam-baovao an-telefaonina avy amina jeneraly iray ao amin’ny zandarimariam-pirenena, nantsoina tamin’ny findainy. Raha ny voalazan’ity jeneraly kintana telo ity (tamin’ny roa ora latsaka fahefany tolakandro), dia efa hita ny vatana mangatsiakan’ireo zandary maherifo telo ireo. Araka ny loharanom-baovao hafa avy any an-toerana kosa dia tafiakatra fito no maty.Niverina indray tato anatin’ny iray volana izao ireo andian-dahalo maro be mandeha mangalatra omby sy mandrava tanàna any amin’iny faritra andrefana sny ny atsimonin’ny nosy iny; tsy vitan’izay fa dia tena mamono olona mihitsy ireto dahalo ireto.Somary mahagaga ihany koa ny hoe: nahoana no mbola mpitandro filaminana vitsy an’isa hatrany no apetraka any amin’ireo faritra mena, efa fantatra tsara izao fa feno dahalo.

 

Eric R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT