Actualités

Betioky Atsimo Zazalahikely 10 taona nanjono, maty an-drano


  • Talata 27 Mey 2014


  Zazalahikely iray 10 taona no maty an-drano ny sabotsy teo, tany Tongobory Betioky Atsimo. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nanjono ity zaza ity. Tsy hay izay nitranga tamin’io andro io. Olona sendra nandalo no nahita ny razana efa nihohoka tao anaty rano. Raha ny fampitam-baovao dia taizan’aretina voan’ny fanintona lava ilay zaza. Mety nihetsika tampoka ny aretiny teo am-pakana trondro. Loharanom-baovao hafa nilaza fa misy lolon-drano io toerana namintanany io. Samy nanana ny fitantarany ny mponina teny amin’ny manodidina. Any ambanivolo any dia mbola manjaka ny honohono sy ny finoana samihafa amin’ny tranga toy izao. Raha ny fanamarihan’ny mpitsabo dia maty sempotra tao anaty rano no nitarika ny fahafatesan’ilay zaza.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT