Hanatanteraka hetsika ny FJKM Betela Fahazavana Amboatavo, any amin’iny faritra Mandrosoa Andramasina iny, ny sabotsy sy ny alahady 28 aogositra izao.
Goavana amin’izany ny fanatanterahana ny adidy eo anivon’ny Fiangonana ho fanatsarana ny sekoly ao an-toerana. Marihina etoana fa io sekoly io izay andrantoan’ireo ankizy fahalalana, manomboka any amin’ny garabola ka hatrany amin’ny kilasy famaranana. Noho ny fanatsarana ny fotodrafitrasa no anisan’ny anton’izao hetsika ho an’ny taranaka izao. Ny sekoly, araka ny filazan-dRakotonirina Johnson Rodin, filohan’ny zanaka am-pielezana any an-toerana no kitro ifaharana sy hampandrosoana ny mpiara-belona, indrindra, ny fiainan’ny fiangonana. Ilaina, hoy izy, ny fanabeazana ara-tsaina, ara-batana, indrindra ny ara-panahy. Toko telo mahamasa-nahandro eo amin’ny fiainan’ny olona iray sy ny fiainan’ny fiangonana ireo, araka ny fanazavany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.