Izany tokoa ny sasatry ny miaina ka teny am-baravaran’ny mpamosavy no nanoko sikidy. Lehilahy iray indray mantsy no fantatra fa nisandoka ho polisy ka sarona tany Betafo-Vakinankaratra ny herinandro lasa teo.
Nisotrosotro teo amina toeram-pivarotana iray izy ity, no sady niresaka tamina olona iray ka nilaza ny tenany sady nirehareha fatratra fa mpitandro ny filaminana. Tsy nampoiziny anefa, fa polisy io miresaka aminy io. Rehefa tena nozohin'ilay polisy ny resany sy ny fombany dia tsikaritra fa hafahafa ny momba azy. Nanao ny asany avy hatrany ilay polisy nanontany marina izay tena momba azy sy ny asany ary ny toerana iasany. Tsy nazava intsony ny resaka ka dia niroso tamin'ny fisavana ny mombamomba azy ilay mpitandro ny filaminana. Teo vao fantatra fa mpisandoka ranamana, ary mety efa maro no tratrany sy voafitaka tany ho any.
Raha ny fanazavana nomen'ny kaomisera Seraly Hercule, ao Betafo, dia tao anatin'ny andro maromaro izao no naharenesana fa misy olona izany manontany olona maro sy mikaroka tranon'ny mpitandro ny filaminana ao Betafo. Olona vahiny izy io, ary mitondra antsy lava raha ny nambaran'ny mponina nahita azy izay raisin’ny polisy ho karazan'ny fampitahorana mpitandro ny filaminana. Raha ny fanadihadiana natao sy ny famariparitana ara-batana nomen'ny olona, dia ity rangahy tratra nisandoka ho polisy ity ihany io manontany tranon'ny polisy io, hoy hatrany ny kaomisera Seraly Hercule. Tsy voafaritra mazava kosa izay tena anton'io fikarohany tranon'olona io, ary ny olona nanontaniany rahateo, miahotra sy tsy sahy mijoro vavolombelona amin'ny zavatra nisy sy ny nanontaniany noho ny tahotra valifaty. Efa natolotra ny fitsarana omaly alarobia moa ity rangahy nisandoka ho polisy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.