Saika isan’andro andrenesana halatra omby foana any amin’ny Distrikan’i Beroroha, faritra Atsimo Andrefana.
Farany teo, malaso roa no matin’ny mpitandro filaminana. Noho ny firongatry ny asan-dahalo tato ho ato dia nanapaka-kevitra ny tompon’andraiki-panjakana sy ny mpitondra any an-toerana nanomboka ny alakamisy teo ary nametraka ny «couvre-feu» na ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina ka hatramin’ny dimy ora maraina. Raha ny fanazavana dia io no vahaolana hita aloha hatreto hisorohana ny asa ratsy hisian’ny fahalemana. Ho an’ny Distrikan’i Beroroha manokana dia samy mampiraviravy tanana ny vahoaka na ny malaso na ny firongatry ny andiam-balala mamotika voly hatramin’izao ka anaovan’izy ireo antso avo amin’ny mpitondra mahefa, araka ny fanazavan’ny depiote Iharifanja.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.