Actualités

Berija Ravelomanantsoa Voaheloka roa volana sazy miantona


  • Zoma 30 Janoary 2015

Sazy miantona roa volana no azon’i Berija Ravelomanantsoa teny amin’ny fitsarana omaly. Rehefa nandinika ny raharaha ny fitsarana dia fantatra fa tsy mitombina ny fiampangana azy

 

. Nilaza ny mpisolovava fa tsy azo entina hanamelohana ireo olona arovany ny porofo teo am-pelatanan’ny fitsarana dia ireo “megaphone sy finday maromaro ary solosaina finday”. Nilaza hatrany izy ireo fa fandrebirebena sy fomba entina hitazonana an’i Berija maharitra any am-ponja fotsiny ny nitakiana ireo porofo ireo.  Manoloana izany dia nitaky ny hanafahana madiodio ireo voapanga ny mpisolovava. Vesatra roa no niapangana an’i  Berija dia eo ny  fikasana hanongam-panjakana ka nahazoany fahafahana madiodio noho ny fisalasalana. Voaheloka kosa ny tenany amin’ny fitarihana hetsika an-dalambe tsy nahazoana hahalalana. Raha ho an’i Sambahita kosa indray dia afaka noho ny fisalasalana ny tenany, ity farany izay voapanga ho nitarika hetsika tany amin’ny faritra.   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

Hijery ny tohiny
FTT