Efa tonga teny amin’ny fampanoavana tao Manakara ny raharaha vao nanapa-kevitra ny tao, (tratry ny baiko midina ?), fa hamotsotra ny Ben’ny tanŕnan’i Mahazoarivo sy Ilakatra ao amin’ny Distrikan’i Vohipeno.
Nosamborin’ny zandary izy roalahy ireo taorian’ny nahafatesana dahalo telo tamin’ny herinandro lasa teo iny. Fampiharana dina no nitarika fahafatesana dahalo ity, araka ny fantatra. Leo ny fidingin-drambon’ireo dahalo miriaria ny Fokonolona satria na dia tratra ambodiomby nangalatra izao aza ary natolotra ny zandary izy ireny dia votsotra, toy ny nitranga tao Karianga tamin’ny volana novambra 2010. Natolotra ny mpitandro ny filaminana ary nalefa tany Farafangana ireo dahalo nefa dia votsotra. Tapa-kevitra ny Fokonolona fa hanao dina ifampifehezana ary dia ireto dahalo telo ireto no niharan’izany. Nandehanan’ny Fokonolona tao amin’ny tanànany izy ireo taorian’ny halatr’omby nitranga. 16 no tratra tao araka ny fantatra fa ireto telo ireto no nanefa. Nisy nametraka fitoriana anefa noho ity vono olona ity.
Niroso tamin’ny fisamborana ireo Ben’ny tanàna ireo ny zandary ny alahady 09 janoary. Nentina natao fanadihadiana tao Vohipeno avy eo nakarina fampanoavana tao Manakara ny alatsinainy. Tsy nampoizin’ny manampahefana tany an-toerana anefa ny zava-nitranga fa nirohotra niakatra tao Vohipeno ny Fokonolona avy amin’ireo Kaominina Mahazoarivo sy Ilakatra ireo, mitaky ny hamotsorana ny Ben’ny tanànan’izy ireo. 4 000 olona teo no tonga tao Vohipeno ny alatsinainy maraina. Niampy 3000 indray izany ny tolakandro, ary tafakatra 10.000 nony hariva ny andro. Tapaka ny lalana, tsy nisy fiara nahazo nifamezivezy. Tsy afa-nanao inona ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana satria efa niakatrakatra ny tosidra ary namofompofona rotaka ny raharaha. Hita ho vonona amin’izay mitranga rehetra rahateo izy ireo, satria nandeha ny feo fa hitady izay olona nampisambotra ireo Ben’ny tanàna izy ireo raha tsy mivoaka ireto farany.
Nandrahona ny hihazo an’i Manakara ihany koa ireo Fokonolona an’aliny ireo omaly talata raha tsy tafavoaka ny Ben’ny tanànan’izy ireo. Nikoropaka ny tao Manakara, nohamafisina hatramin’ny fiambenana ny trano fonenan’ny Lehiben’ny Faritra. Navotsotry ny fitsarana tao Manakara ireo Ben’ny tanàna ary ny alatsinainy hariva ihany izy ireo dia nihazo an’i Vohipeno. Tamin’ny fito ora sy sasany hariva no tonga tao ary dia hafaliana sy haravoana tsy nisy toa izany no nandraisan’ny vahoaka azy ireo vao tonga tao. Taorian’izay koa vao nivaha ny sakana rehetra nataon’ny vahoaka. Araka ny fantatra dia Ben’ny tanàna voafidy tamin’ny lisitra Tiako I Madagasikara izy ireto, ary azo lazaina fa mamim-bahoaka any amin’ny Kaominina nahavoafidy azy ireo avy. Mandeha koa ny resaka fa mpandraharaha no tao ambadiky ny fitoriana ka nisamborana azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.