Raha mbola ifampitadiavana ilay ramatoa monina ao Ambohitrakely Antananarivo voalazan’ny antontan-taratasin’ny entana fa tompon’ireo basy sy bala tratra tao amin’ny seranan-tsabon’i Toamasina, dia ao Toamasina nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny iraky ny zandarimariam-pirenena hijery sy hanadihady akaiky mikasika ity raharaha ity. Araka ny angom-baovao dia tsy vao izao no nanaovan’ity ramatoa ity ny fampiasana taratasy hosoka amin’ny fanafarany entana. Fantatra koa izao fa mifaningotra tamin’ilay raharaha kaontenera an’ny hopitaly manara-penitra tokony ho nalefa tany Manakara saika havoaka tamin’ny alalan’ny “Ordonnance” ny Fitsarana ny tenany. Voalaza koa fa tsara mpiaro eo anivon’ny fitsarana ary manana rohim-pihavanana akaiky amina mpitondra ambony ity ramatoa tompon’ilay basy sy bala sy nanafatra azy ity. Manahy ny maro fa ho faty an-karanany ity raharaha ity raha ny zava-misy sy zava-miseho.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.