Actualités

Baomiavotse Vahinala Raharinirina “Manodidina doany sy tany fady no tena voahaja ny tontolo iainana”


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Rehefa nangina ankehitriny ny fifanasana vangy momba ny resaka doany sy fivavahana Kristianina, hoy ny talen’ny kabinetra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, ny Dr Baomiavotse Vahinala Raharinirina,

dia mba saika hampatsiahy fotsiny aho fa raha mbola misy ny toerana tena mbola voahaja ny tontolo iainana, ny ala sy ny harena voajanahary eto Gasikara dia manodidina ireny doany sy tany fady ireny. Azonao jerena manerana ny nosy izany, hoy izy, na any avaratra ianao na any andrefana, na atsimo, na atsinanana. Azonao hamarinina. Mahery vaika noho ny lalàna, ny GELOSE, ny PNAE, ny haitondra ara-tontolo iainana volavolain’ny fanjakana, ny « aires protégées » sy ny « parcs nationaux » sy ny maro hafa ny hasina sy fanajana omen’ny malagasy ny masina sy ny fady, hoy hatrany ny tenany. Ankoatry ny maha minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy teo aloha azy moa dia manana marim-pahaizana ambony momba ny toekarena anaty tontolo iainana sy loharanon-karena voajanahary koa ity tomponandraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT