Niroso amin’ny fitokonana nanomboka omaly alarobia ny mpiasan’ny banky foiben’i Madagasikara (BCM). Efa ela loatra ny fitakianay kanefa tsy noraharahiana izahay, hoy ny solontenan’izy ireo raha nanontaniana.
Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ilay sata mifehy ireo mpiasan’ny banky foibe, ny fanajana ny zon’ny mpiasa sy ny resaka hafa manodidina ny asa amin’ny ankapobeny. Noho io fitokonana sy fitakiana io dia mikatona avokoa ny “caisse” rehetra eny amin’ny banky foibe, nanomboka omaly alarobia ary haharitra 3 andro, izany hoe hatramin’ny rahampitso zoma. Ny dikan’izay dia tsy hisy mihitsy ny famoaham-bola azon’ny fanjakana atao avy eny amin’ny BCM amin’ity herinandro ity, satria ny sabotsy sy alahady andro tsy fiasana. Nandeha moa ny siosion-dresaka teo aloha kely teo fa misy ny fikasana ny hamoaka vola be tao amin’ny banky foiben’i Madagasikara. Tamin’ity herinandro ity dia mbola nisy resaka nandeha indray fa misy fikasana hamoaka 1 miliara ariary mahery tao. Raha ny vaovao farany voaray dia efa niditra ho mpanelanelana amin’ity raharaha ity ny “inspection du travail” koa andrasana izay mety ho fivoarany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.