Actualités

Banky Foibe Manakara Afaka madiodio ilay karŕna nitatitra ny vola


  • Alakamisy 09 Desambra 2010


Naverina ny fitsarana ary afaka madiodio ilay karàna anisan’ny voarohirohy tao anatin’ny fanodinkodinam-bola amina miliara maromaro tao amin’ny Banky foiben’i Manakara. Efa voampanga folo taona an-tranomaizina miaraka amin’ny fandoavana onitra izy tamin’ny taona nitsarana voalohany ity raharaha ity. Tsy hita izay nanjavonany rehefa niala teto Madagasikara izy ka nijanona tany an-dafy. Ankehitriny anefa dia ny tenany indray no nangataka ny mba hamerenana ny fitsarana ary dia notanterahina tokoa izany.

Raha araka ny feo nandeha tamin’ny haino aman-jery dia nigadona soa aman-tsara tetsy Ivato ny tenany izay efa namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena. Nizotra soa aman-tsara tany Manakara izy mba hamonjy ny fitsarana. Taorian’izay dia niverina soa aman-tsara teto Antananarivo indray ary lasa any an-dafy, afaka soa aman-tsara. Izy io no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanakalozana ireo vola notaterina nivoaka tao amin’ny Banky foiben’i Manakara ho lasa vola vahiny. Mbola maro ny olona tafiditra amin’ity raharaha ity no tadiavina ary efa voatsara. Anisan’izany i Louis Ranjeva, izay Tale jeneralin’ny Banky foibe tao Manakara.

 r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT