Actualités

BANKY BFV -SG Hanohana ireo tanora mpianatry ny IT University


  • Talata 03 Martsa 2015

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny sekoly ambony IT University etsy Andoharanofotsy sy ny Banky BFV-SG eto amintsika. Zavatra maro loha no hiompanan’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta toy ny fanomezana stage na

 

fianaran’asa ho an’ny mpianatry ny IT University izay havanana manokana  amin’ny fikirakirana  ny taranja informatika avo lenta. Maharitra hatramin’ny enim-bolana izany ankoatra ny fandraisana avy hatrany ireo mpianatr’ity sekoly ambony iray ity ho mpiasan’ny banky BFV-SG ho an’ireo izay liana amin’izany. Toraka izany koa ny fanomezana ireo mpianatra ireo ilay fampindramam-bola antsoina hoe : “Soafeno mpianatra” raha araka ny fanazavan’ny tale lefitry ny banky Andriamatoa Mickael Pages hahafahan’izy ireo manatontosa ny tetikasany na koa manohy ny fianarany hatramin’ny farany mihitsy ho fitsinjovana ireo ray aman-dreny. Nambaran-dRobinson Olivier rektioran’ny IT University moa fa manosika hatrany ny mpianatra hiditra eo amin’ny sehatry ny matihanina izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao. Tontosa omaly ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT