Hotanterahina rahampitso sabotsy 09 jona etsy amin’ny Le pavé Antaninarenina indray ilay hetsika Baby Shopping adiany fahaenina, karakarain’ny Primababy. Hampiavaka ity hetsika ity raha araka ny
fanazavan-dRtoa Haingo Rajaonah ny fisian’ireo karazan’entana sy kojakoja ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny enin-taona amin’ny vidiny mirary miaraka amin’ny fihenam-bidy. Misy hatrany amin’ny 1.000 Ar mantsy izany, tsy misy ny vidim-pidirana. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fivarotana ilay boky guide primababy entina hanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny fitaizana sy fikoloana ireo menaky ny ainy. Raha vao teraka mantsy ny zaza dia ilana fahaizana manokana ny fitaizana azy ireny mba hahatonga azy ho olom-banona mandray andraikitra rehefa any aoriana any. Hatreo amin’ny faha-12 volan’ny zaza ihany anefa no hahafahana manefy izany hoy hatrany Rtoa Haingo Rajaonah. Tsara ny manamarika fa hisy ihany koa ireo fitaovana toy ny fitoeran’akanjon’ankizy, ireo karazana kilalao mampahira-tsaina hamidy mandritra ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.