Nafindra monina vonjimaika eny amin’ny 1/2 tonneau an’ny DEGS eny amin’ny oniveresiten’Ankasto aloha ireo olona nipetraka eny avaratr’Ankatso mba ho fisorohana ny loza mety hitranga raha tany ty ka mianjera ily bolongam-bato eto an-tampon-tendrombohitra.
Fianakaviana 65 ahitana olona 500 ireo nafindra ireo. Ny alatsinainy alina moa dia nisy ny fanairana nataon’ny mpitandro ny filaminana ny amin’ny tsy maintsy handaozan’ireo olona ny tranony ao anatin’ny ora iray. Nikorpaka ny rehetra teny Avaratr’Ankatso, misy ny nanaiky ny hifindra toerana avy hatrany, tao ireo nadà. Ahiahy niombonan’ny rehetra ny amin’ny fiarovana ny fanana satria tsy kely lalana ny ratsy amin’ny vanim-potoana tahaka izao.Izany indrindra no nahatongavan’ny Emmo reg teny an-toerana nanara-maso ny zava-misy.
Mbola ankamantatra
Efa nanomboka moa ny fitsirihana ilay vato nataon’ireo manampahaizana sy teknisianina, re fa manodidina ny 175 tapitrisa ariary ny vol ilaina amin’ny faesorana io vato be an-tampon-tendrombohitra eny avaratr’Ankatso io.Tsy mbola fantatra anefa hatreto hoe ahoana marina ny fomba hanesorana azy.Tsy misy afaka manome ny daty sy or marina ihany ko ny amin’ny mety hirodanany ka izay no maha tsara ny fialan’ireo mponina amin’ny tranony loha, hoy ny tompon’andraikitra. Ny loza tokoa mantsy tsy mampandre mialoha rehefa ho avy !
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.