Actualités

AV 7 Tsy mangarahara ny fampisam-bola


  • Alakamisy 06 Janoary 2011


Araka ny filazan’Atoa Ratsimbazafy Jean Paul, filoha lefitry ny fikambanana dia tsy mangaraharaha ny fitantanana ny fanampiana ara-bola nomena ireo mpikambana ao amin’ny AV7, na ny fikambanan’ireo niaharam-boina tamin’ny 7 febroary 2009 noho ny fitifirana teny Ambohitsorohitra. Tsy manaraka ny fepetra tokony arahina ny famoaham-bola, ary misy olona tsy anisan’ireo teny Ambohitsorohitra akory mahazo vola avy ao amin’ilay fanampiana omen’ny fanjakana ny AV7 araka ny filazany.

Nambarany fa miisa 200 ankehitriny ireo mpikambana ara-dalàna ao amin’ny AV7 ary roa hetsy ariary isam-bolana ny vola raisin’izy ireo, ny mampalahelo koa anefa araka ny nambaran’Atoa Ratsimbazafy Jean Paul dia matetika mbola tara ny fandoavana io vola io, raha tokony ho isaky ny faran’ny volana izany dia tsy voaray indraindray raha tsy ny faha-5 na ny faha-7-n’ny volana diavina. Nanao antso ny tenany mba hijery akaiky ireto nambarany fa nitolona sy sahy nanolotra ny ainy ho fandrodanana ny jadona teto, tsy tokony averina intsony ny tsy mety nataon’ny teo aloha hoy Ratsimbazafy Jean Paul. Aminy ihany koa moa dia tsy tokony avela handalo fotsiny ny faharoa taonan’ny 7 febroary amin’ity 2011 ity fa tokony hasiana fanamarihana amin’ny fomba ofisialy.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT