Actualités

Asan’ny mpitondra nifanesy Ny fiadanam-bahoaka no aoka hifampitsarana


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Tsy azo lavina fa samy nanangana fotodrafitrasa avokoa ny fitondranana nifandimby teto. Manomboka tanisaina sy hireharehana any anaty fampielazan-kevitra izany. Tsy izay anefa no hitarafana ny fampandrosoana fa ny fivoaran’ny fiainan’ny Malagasy no maridrefy lehibe indrindra hamantarana na nandroso na nihemotra ny firenena.

Tsy tokony hiedinedina rehefa nahavita nanangana fotodrafitrasa kanefa ny mpiara-monina sy ny vahoaka miha mahantra, fa ny mpitondra miha manankarena, ary manjaka ny kolikoly samihafa nanomboka tamin’ny tetezamita hatramin’izao. Niezaka mametraka zavatra mba hahatsiarovana ny anarany mba hanakonana sy hamafana ireo afera maloto samihafa mampalaza azy. Raha hanao fampitahana fotsiny isika ny fari-piainan’ny Malagasy teo anelanelan’ny 2002-2008 mitaha ny 2009-2018 dia tsy misy afaka handa fa niaina kokoa ny vahoaka talohan’ny fanonganam-panjakana ny 2009. Nandry fahalemana kokoa ny vahoaka, ary voahaja kokoa ny tany tan-dalàna. Voafehy kokoa ny resaka fanondranana harem-pirenena, ary tsy dia nahenoana kolikoly ka natokisan’ny mpamatsy vola i Marc Ravalomanana tamin’izany. Efa mpandraharaha malaza sy mpanefoefo i Marc Ravalomanana tany amin’ny taona 80-90 nampalaza ny orinasany dia ny Tiko, ary io mbola voaporofo io ankehitriny hoe na nodorana aza ny fananany, dia mbola tafarina izy. Tsy fanenjehana be fahatany fa mba nanao ahoana ny haren’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina talohan’ny tetezamita ary tamin’ny fomba ahoana no nahafahany nanana ireo hareny tsy hita pesimpesenina ary avy aiza ny vola afafiny amin’izao firotsahan-kofidiana izao ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT