Actualités

Asan’ny “médiateur” Tsy fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Nahavita ny tatitra momba ny asa nataony ny taona 2017 ireo mpiahy ara-drariny (médiateur). Sampandraharaham-panjakana najoro araka ny didy hitsivolana mitondra ny laharana 92-012 tamin’ny 29 aprily 1992 ary manana andraikitra ny amin’ny fiarovana ny zon’ny isam-batan’olona ny mpiahy ara-drariny.

 

 Araka izany dia mandray ireo fitarainana maro maimaimpoana tonga eny amin’ny sampan-draharaha isanisany izy araka ny nambaran’i Ramatoa Monique Andreas Esoavelomandroso, Médiateur de la République, izay manana ny birao fiasany etsy Isoraka. Maro ireo fitarainana tonga tahaka fijaliana amin’ny fandraisana ny fisotron-dronono. Ankoatr’izay dia maro loatra ny taratasy tadiavina amin’izany ka mampivezivezy sy mahaketraka ireo mahazohazo taona ireo. Tsy vitsy ihany koa ny fitarainana ny amin’ny fanoratana ny tany sy ny resaka fangalana titra. Fa na dia eo aza izany rehetra izany dia hita fa tena vitsy ny Malagasy mahafantatra ny fisian’ity  andrim-panjakana ity ka tokony hisy ezaka fanehoana ampahibemaso ny andraikitra iantsorohany. Ny fanontaniana mipetraka koa dia ny hoe tena afaka mamaha olana ve ity rantsana ity  sa voafetra tahaka ny BIANCO sy ny SAMIFIN ihany ny andraikiny ka tsy maharototra ny Malagasy?


Tsiry   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT