Actualités

Asa fivarotana vy Lasa bizina tena mandeha be


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Lasa bizina be tena mandeha eto an-drenivohitra amin’izao ny varotra vy. Anisan’ny toerana tena ahitana azy ity ny etsy La Réunion kely Ampefiloha.

Fianakaviana maromaro mihitsy no indray manao ity asa ity eny an-toerana ka ireo karazana vy efa niasa toy ny vy tamin’ny seza dia niala, arofanina tamin’ny tetezana… no tena hamidin’izy ireo. Tsy amin’ny kilao toy ny mahazatra anefa  no hivarotan’izy ireo ny karazana vy fa mandeha singatsingany. Manomboka amin’ny 3.500 Ar ka hatramin’ny 10.000 Ar miankina amin’ilay vy sy ny habeny ary ny kalitaony ny halavany. Raha ny fanadihadiana natao dia betsaka ireo karazan’olona tonga mividy vy eny an-toerana. Amin’ny ankapobeny anefa dia ireo olona manao trano no tena manjifa izany voalohany ka misy mividy hatrany amin’ny 50.000 Ar mihitsy ny olona iray, tsy hanavahana sokajy. Nomarihin’izy ireo fa izao vao tena mandeha ny tsena. Tsy nisy mpanontany mihitsy mantsy tamin’ny fotoam-pahavaratra noho ny fahasahiranan’ny olona. Tsiahivina fa misy hatramin’ny fandriana vy hamidy eny an-toerana izay nomarihin’ireo mpivarotra fa tena misy mividy tokoa. Ho an’ireo karazana vy madinika fahita eny rehetra eny indray dia manomboka amin’ny 500 Ar  no hamarotan’ny mpivarotra ny iray kilao ka ireo orinasa mpanodina vy no tena mividy betsaka.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT