Actualités

Asa fisolokiana Noraisim-potsiny ilay mpitondra devizy sandoka 500 euro


  • Alarobia 18 Febroary 2015

Noraisim-potsiny ilay lehilahy nitondra devizy sandoka 500 euro teo Analakely. Nokasain’ity farany atakalo ka hividianana zavatra tao amina magazay tsy lavitra teo ilay vola sandoka

 
. Mailo anefa ilay mpivarotra ka niantso avy hatrany ireo mpiambina satria voalaza fa efa voafitaka ihany koa tamin’ny taon-dasa. Avy hatrany dia niantso polisy ihany koa ireto mpiambina ka ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny boriborintany voalohany no nandray an-tanana ny raharaha. Nandritra ny famotorana natao no nilazan’ilay mpisoloky fa tsy azy ny vola fa iraka fotsiny ny tenany ka nanilaka ny fahadisoana tamina olona hafa indray izay nilaza ihany koa fa tsy tompon’ny vola. Efa natolotra ny fampanoavana avokoa ireto olona ireto.

 

Tojo

 


 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT