Actualités

Asa fanaovan-gazety Nodimandry i Lantomalala Rasata


  • Alakamisy 05 Jolay 2018

Taorian’ny fahalasanan’i Maurice Tsihavonana sy Charles Andriantsitohaina dia misaona indray ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

 

 Nodimandry omaly hariva i Lantomalala Rasata rehefa tsy salama fotoana naharitraritra ihany, araka ny fantatra. Teo anivon’ny TVM moa no tena nahalalan’ny maro azy tamin’ny filazam-baovao sy ny fandaharana Kianja. Mpanao gazety nirona kokoa tany amin’ny sehatry ny fanatanjahantena efa hatrany amin’ny fiandohan’ny taona 90 izy. Azo lazaina fa anisan’ireo efa ampy traikefa sy nahavita be teo amin’io sehatra io. Tany amin’ny firaisana Sovietika (URSS) teo aloha izy no nandalim-pahaizana. Efa nitantana ny Televiziona Malagasy ihany koa tamin’ny fiandohan’ny fitondrana Rajaonarimampianina saingy nesorina teo amin’ny toerany avy eo. Mahitsy fitenenana i Lantomalala Rasata, hentitra ihany koa amin’ny fomba fiasa kanefa be vazivazy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany ny eto amin’ny Gazety Tia tanindrazana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT