Actualités

Asa fanaovan-gazety Hodinihina ny hoavin’ny Holafitra


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011

Tafiditra ho anisan’ny soritrasa laharampahamehan’ny ministeran’ny serasera ny amin’ny holafitry ny mpanao gazety, araka ny nambaran’i Félix Malazarivo, ministra nandritra ny lanonana fifampiarahabana nataon’ny departemantany teny Imaibahoaka Ivato ny sabotsy 15 janoary lasa teo.

Na hotazomina ka hohatsaraina ny faritra misy na hosoloina sendika, araka ny nambarany. Hantsoina hikaondoha sy hiara-hidinika mikasika izany avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’ny tontolon’ny asa fampahalalam-baovao, araka ny nambarany ihany. Voaresaka nandritra io fotoana io ihany koa ny hamitana ka hamoahana hampanan-kery amin’izay ny lalàna hifehy ny asa fanaovan-gazety. Hatramin’ny andron’i Betsimifira Fredo, teo amin’io ministera io no efa niresahana sy namolavolana io lalàna io, misy hatrany koa ny finiavana saingy mandraka ankehitriny tsy nety nahita masoandro izany fa maty ankaranany hatrany, hany ka dia nisesy ny mpanao gazety nampidirina am-ponja, haino aman-jery nakatona, indrindra tato anatin’izao Fitondrana avon’ny tetezamita, noho ny tsy fisian’io arofanina io izay tokony hiaro ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahana ny asany.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT