9 septambra 2009, 9 septambra 2018. Feno 9 taona omaly alahady ny gazety Tia tanindrazana. Tsy niova ny tigetra fa dia ny : “Sahy mijoro ho an’i Gasikara.”
Nandalo vanim-potoan-tsarotra tamin’izany fotoana ny firenena. 7 volana taorian’ny nitrangan’ny raharaha 7 febroary 2009 na ilay nantsoina hoe : “Alatsinainy mainty” no nivoaka masoandro ity gazety eo am-pelatananao ity. Be ny fanenjehana nahazo sy ny antsojay isan-karazany fa tsy nampilefitra hampitranga an-kasahiana ireo vaovao marim-pototra notrandrahan’ireo mpanao gazety tao sy mbola ao aminy hatramin’izao. Ny hirariana dia samy ho ela velona ka hahatratra ny amin’ny herintaona indray.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.