Tamin’ny alalan’ny hetsika fanomezan-dra no nentin’ireo mpanao gazety rehetra tao Mahajanga nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny sabotsy 03 mey teo. Nitohy tamin’ny diabe namakivaky ny tanàna narahina ny dihy zumba izay nandraisan’ireo mpanolotra vaovao sy fandaharana anjara ary nofaranana tamin’ny fitsangantsanganana teny amin’ny Plage Grand Pavois. Hita taratra ny firaisankinan’ireo mpanao gazety nandritra ny hetsika. Teto an-drenivohitra indray nibahana ny adihevitra manodidina ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety, ny fifidianana biraon’ny holafitra ary ny fanokafana ireo haino amanjery nakaton’ny Fahefana avon’ny tetezamita.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.